Aller au contenu principal

Omby mahia tsy lelafin’ny namany!

mars 12, 2010

Mahatalanjona ny mahita ireto mannequins milatro amin’ny défilés de mode isan-karazany aseho isaky ny renivohitra malaza eran’izao tontolo izao. Ny hakanto sy ny haraitran’ny akanjo eo ihany, fa ny tena mahavaky vava dia ny ahian’ny mannequins sasany, izay mampi-tsanga-bolo, sy mampanontany tena hoe: izao ve no atao hoe lafatra tokony tahafina?

Amin’ny maha-vehivavy ny tena, dia lasa ny eritreritra mahita taolan-tratra mitrakitraky, taolan-dranjo sy taolan-dohalika mikatrokatroka, tarehy kaoka sy maso lalina… mba marina mafy raha vehivavy, fa toa ireny angatra mandehandeha ireny, mampatsiahy ahy ireo BD famaky fony mbola zaza, KODITRA lol

Dia misy ny miteny hoe, koa tsy natao ho an’ny tsy mpahay azy ny lamôdy avo lenta, tsy ho an’ny daholobe fa ho an’olom-boafidy sy voahosotra mana-katao. « La mode n’est pas démocratique » hoy i Karl Lagerfeld izay, izay anisan’ny ela nihetezana eo amin’ny famoronana. Dia hoy aho hoe, ka izay tiako sy izay mampety ahy ihany io. Ny ahy tsy taolana mikitrana, fa tavy miaro nofo, velona sy miaina ny andavanandroko, izany hoe: miasa, miantsena, mivory, mifanerasera, manala azy sns…Izaho koa karazan’ilay be taim-bava satria tsy hifanatri-tava amin’i Dadabe Karl sy ny vozon’akanjony miakatra, n’oviana n’oviana.

Fa ny tiako ahatongavana dia ity: samy manana ny vahany, sy ny toe-batany ny tsirairay, koa nahoana no fehezina tsy maintsy ho toy izao, na ho toy izao vao hoe tsara? Marina fa amin’ny mahaolombelona ny tena, dia tiana ny mba ho tsara sy eo imason’ny namana sy ny fianakaviana, ary ny mpiara-monina. « Tiako be ny pôzin-dry, sady medy tsara amindry », dia faly aok’izany rehefa mahazo fandokafana, na avy amin’ny fo io na tsia.

Amiko dia tsotra: avy aminao no tokony hiainga ny faniriana, fa tsy avy amin’ny hafa. Ianao tompony no mahafantatra ny vatanao sy ny fomba fiainanao (ary ny tena taonanao, hihihi), koa anao ny safidy, mahaiza mividy, mahaiza mandidy!

Raiso ny tsara sy ny mety ary tandrify, fa tsy hoe micro-short no lamôdy dia lasa zao hampiseho tsatsakoatra sy jabora tahaka ireo mpihira vehivavy diso fantatrareo, miseho amin’ny fahitalavitra. Mihotakotaka atsy mihotakotaka aroa, ampiana cuissardes am-poto-pe  izay tsy dia misy hifandraisany loatra amin’ny hira ventesina, amin’izato andro migaina « sous les tropiques ». Sa izay ve no tandrify?

Izay ary ny androany, fa mandram-pihaona vetivety.

Ikalajejo.

2 commentaires leave one →
  1. Daddy permalink
    mars 14, 2010 7:55

    Ho an’Ikalajejo,

    Miarahaba anao ny mpamaky. Hitako ny zavatra soratanao ao amin’ny sobika.com fa dia misaotra aloha amin’ny fanohanana ny tanora vao misondrotra e!.
    Mirary soa lalandava.

    • mars 15, 2010 8:41

      Tsisy fisaorana tompoko. Mendrika azy ny ho tohanana. Dia mirary soa ho azy koa, dia manorata hono rehefa mahatsiaro e. Ikalajejo.

Répondre à ikalajejo Annuler la réponse.