Skip to content

Tendance mode été 2010.

mars 10, 2010

Araka ny tendances navoitr’ireo mpamorona tamin’ny taon-dasa, ho amin’ity 2010 ity, dia ireto avy no mahafinaritra azo ampiadiana sy ampifanarahana, rata toa te-hanaraka ny toetr’andro ianao izay mafana dia mafana tokoa, no mba hampihiratra ny loko sy ny pitsopitsony hanaovanao.

Ny « silhouette », aloha raha ny été 2010 no tenenina, dia miombo-kevitra ny mpamorona lamôdy sy ny mpanaraka lamôdy, fa ho maivamaivana ary mirindra ny bika raha iny ianao miriaria eny amin’ny arabe any Paris, New York, Londres, ary Tana mazava ho azy! Fohy ny akanjo, na zipo ary assymétrique. Ny short indray dia somary lefy laza,  ny tena vaovao be dia  ny kilaoty ka toa tsy ihety aty amintsika, raha tsy hoe angaha eny amin’ny plage mihintsy! Soloy cycliste na combishort, fa io indray no ady eo!

Manidintsidina ny volant sy ny drapé isankarazany, misy tralala daholo na tanan’akanjo, ka tratra, na zipo, na moro-tongotra. Mihavaka ny valahana amin’ny fatotra noeud atao ambonimbony taille haute, ao koa  fehikibo isan-karazany izayatao kelikely manifinify.

Raha ny loko no asian-dresaka dia ny fotsy, ny beige, ny marron, ny kaki, ny mavokely, sy ireo loko rehetra manakaiky azy, amin’ny tons poudrés na pastel no tena à la page. Eo ihany koa ny maitso na manga na mavo kely mavamavana, tons glacés somary manjelatra irisés.  Ny mena midorehitra no indro kely amin’ny loko izay somary neutre tamin’ity 2010 ity. Raha ny lamba imprimé no tianao, dia azo atao tsara ny mampiady soratra: rayure marinière, izay mbola tsy lany manja hatramin’izao, na motif géométrique hafa tianao, ny tena lafatra indrindra dia ny motif voninkazo somary abstrait sy vaventiventy.Miverina ihany koa ny vichy mavokely à la Brigite Bardot, andramo raha mety aminao.

Ny karazan-damba hanjairana ny akanjo dia ny maivamaivana sy misosasosa, mihetsika manaraka ny vatana, ary ravin-damba glacé sy satiné no ampiasaina. Aza adino  ny dentelle sy ny tulle izay tena lamôdy be mihintsy  hanjairana top na robe style romantique, na raha manendrika anao, style lingerie.

Ny kiraro dia azo atao petapetaka misokatra na tsia, na avo, izay tianao fa ny sabots no tena fatratra na must-have été 2010. Mifatotra miakatra eo amin’ny cheville ny ankamaroan’ny kiraro, na avo na iva. Matevitevina ny faladia sy ny voditongotra raha avo ny kiraro. Ho an’ireo fashion victim, dia afaka manampy guêtre na ba kiraro manify, raha te ho ao tsara.

Malaza koa ny randrana, randra-tokana atao mandady na atao toy ny chignon. Ny andro koa mafana rahateo. Asio noeud ny volo, na foulard mifatotra hanome endrika azy, fa tena lamôdy be mihintsy izany amin’ity 2010 ity.

Rehefa tomombana ny rehetra, dia lasa izao, hifankahita eny Ambatonankanga na eny Analakely,  sa ahoana?

Ikalajejo.

No comments yet

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :